Fananganana orinasa
Antotan-taratasy ilaina
Tondro | Isa |
Dingana fototra | |
Satan’ny orinasa (*) Voarango-pohy isaky ny pejy ary soniavin’ireo mpiara miombon’antoka rehetra ny pejy farany Tsy maintsy lazaina ao anatin’ny sata na ao anatin’ny fitanana an-tsoratra ny toerana iasana | 6 |
Kopian’ny Karapanondrom-pirenen’ny (ireo) mpiandraikitra NA RAHA VAHINY, kopian’ny pasipaoro miaraka amin’ny Visa fivahiniana maharitra | 3 |
Fanamarinam-ponenan’ny (ireo) mpiandraikitra <3 volana | 2 |
Fisitrahana ny toerana (foibe sy/na toerana hiasana) : fifanekem-panofana NA fifanekem-panofana amin’ny mpanofa(*) (apetraka ny laharana findain’ny mpampanofa) Ampiarahana amin’ny antontan-taratasy ireto :
Drafitra fizahana ny toerana soniavin’ny Fokontany | 5 |
Taratasy fanomezam-pahefana sy kopian’ny karapanondrom-pirenen’ny mpamita iraka | 2 |
Fanambarana mikasika ireo mpitarika ara-tsosialy (mpiandraikitra sy mpiara-miandraikitra) (*) | 1 |
Raha ilaina, fanomezan-dàlana avy amin’ny Minisitera voakasika momba ireo anton-draharaha voafehim-pitsipika | 2 |
(*) : Maodely na taratasy fenoina azo trohana ao amin’ny tranonkala : www.edbm.gov.mg
Antontan-taratasy fanampiny ho an’ny mpiara miombon’antoka fikambanan’olona | |
Dika mitovin’ny Rejisitry ny Varotra sy ny Orinasa (RCS) <3 volana | 2 |
RAHA FANANGANANA SARLU, sata voarakitra | 1 |
RAHA FIKAMBANAN’OLONA MALAGASY, Fitanana an-tsoratra momba ny fandraisana anjara voarakitra + kopian’ny Kara-ketra | 1 |
Antontan-taratasy fanampiny ho an’ny Orinasa tsy Anavahana Anarana (SA) | |
Fitanana an-tsoratra momba ny Fivoriamben’ny fanorenana | 6 |
Fitanana an-tsoratra momba ny Filan-kevi-pitantanana | 6 |
Filazana fisoratana anarana sy fandrotsaham-bola | 6 |
Taratasy fisoratana anarana | 6 |
Toetoetry ny fisoratana anarana sy fandrotsaham-bola | 6 |
Fanamarinana famerana/ny renivola navoaka | 2 |
Antontan-taratasy fanampiny ho an’ny birao fifandraisana, sampana na masoivoho | |
Satan’ny foiben’orinasa | 5 |
Fitanana an-tsoratra (dika mitovy) ahitana ireto: fanendrena solontena, fisokafan’ny biraom-pifandraisana, sampana na masoivoho, fanondroana ny adiresy foibe sy ny toeram-piasana ao Madagasikara ary ny daty fanombohana sy fiafaran’ny asan’ny orinasa | 5 |
Dika mitovin’ny RCS <3 volana amin’ny teny Frantsay an’ny foiben’ny orinasa (adika amin’ny teny Frantsay ny vaotra hafa) | 1 |
Antontan-taratasy ilaina ho an’ny anton-draharaha mpamongady, indostrialy, mpanangom-bokatra sy mpanafara entana | |
Fanamarinana ny fisian’ny toeram-piasana (toeram-pivarotana sy fitehirizan‘entana) omen’ny Fokontany misy ny toerana ipetrahana | 2 |
Drafitra antsipirihany milaza ny toerana anaovana ny anton-draharaha ahitana fanondroana mazava ny efitra, magazay, toeram-pitehirizan’entana voasonian’ny Fokontany | 2 |
Fanambarana fiaikena sy am-boninahitra (*) ho an’ny indostrialy sy ny mpanafatra entana/Fanomezan-dalana mialoha ho an’ireo mpamongady (ao amin’ny Talem-paritry ny Hetra Analamanga 67 ha) | 2 |
Sarany (Aloa lelavola ao amin’ny Biraon’ny EDBM)
Tondro | Sarany | |
Fandraketana sata | 0,5% n’ny renivola (vola ekena farafahakeliny: 10.000 Ar) | |
Fandraketana ny fifanekem-panofana ara-barotra | 2% n’ny fitambaran’ny hofan-trano mandritra ny faharetan’ny fampanofana | |
Fitanana an-tsoratra-Fanomezam-pahefana | 2.000 Ar | |
Fandraketana am-boky amin’ny Rejisitry ny Varotra sy ny Orinasa (RCS) | 16.000 Ar | |
Fanomezan-daharana statistika (STAT) | 40.000 Ar | |
Hetra amin’ny vola azo (IR) [cf. Andinin-dalàna 01.01.14 amin’ny Fehezan-dalàna Ankapobeny momba ny Hetra] Na Hetra Tambatra (Syntetika) (IS) [Andinin-dalàna 01.02.05 amin’ny Fehezan-dalàna Ankapobeny momba ny Hetra] | Raha misafidy ny IR | Raha misafidy ny IS |
100.000 Ar ho an’ny olona mandoa hetra manao ny anton-draharaha momba ny fambolena, asa tanana, indostrialy, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, trano fandraisam-bahiny, ny fizahan-tany sy ny fitaterana. | 16.000 Ar ho an’ireo mpamboly, mpiompy, mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika, mpitatitra mampiasa fiara tsy misy maotera (sarety, posy, lakana, sns.) | |
320.000 Ar ho an’ireo orinasa hafa | 50.000 Ar ho an’ireo mpanao asa tanana, mpivarotra sakafo madinika (gargôty), mpamokatra madinika | |
| 100.000 Ar ho an’ireo mpiasa tanana momba ny harena an-kibon’ny tany, mpanakanto sy ny mitovitovy amin’izany, mpivarotra, mpitantana trano fandraisam-bahiny, mpitao asa, mpitantana trano fisakafoanana | |
| 150 000 Ar ho an’ireo asa tena sy hafa, anton-draharaha marobe, Hafa |
Antontan-taratasy omena (ao anatin’ny 4 andro) raha toa ka feno tsara ny antontan-taratasy napetraka
- Antontan-taratasy noraketina (sata sy ny fifanekem-panofana ara-barotra: ôrizinaly sy dika mitovy ; taratasy nandrotsaham-bola mialoha)
- Karatra statistika miaraka amin’ny laharana STAT
- Kara-ketra
- Dika mitovin’ny rejisitry ny varotra
- Tapakila RCS miaraka amin’ny laharana RCS
- Tapakila nandraisana ny saram-pandraketana sy ny vola naloa mialoha amin’ny IR
- Kopian’ny filazana fiorenana dika mitovin’ny tranonkalan’ny EDBM
Departemanta voakasika
- EDBM-Hetra : Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny teti-bola (MFB)/Foiben-ketra (DGI)
- EDBM-RCS : Ministeran’ny Fitsarana (MinJus)/Mpiraki-draharaha ny Fitsarana momba ny Varotra
- EDBM-INSTAT : Foibe Nasionaly ny Statistika
Fanamarihana sy tahirin-kevitra
- Lalàna laharana faha-2014-010 tamin’ny 21 aogositra 2014 manitsy sy mameno ireo fehezan-dalàna sasany tamin’ny lalàna laharana faha-2003-036 tamin’ny 30 janoary 2004 mikasika ny Orinasa Ara-barotra
- Fehezan-dalàna ankapoben’ny Hetra 2017
- Lalàna laharana faha-2016-032 tamin’ny 28 desambra 2016 mikasika ny Lalànan’ny Fitantanam-bola 2017
- Lalàna laharana faha-2016-007 tamin’ny 12 jolay 2016 mikasika ny Lalànan’ny Fitantanam-bola nahitsy ho an’ny 2016
- Hitsivolana laharana faha-2011-050 tamin’ny 1 febroary 2011 mikasika ny fanitsiana ny didim-pitondrana laharana faha-2005-151 tamin’ny 22 marsa 2005 sy Didim-pitondrana laharana faha-2004-453 tamin’ny 06 aprily 2004 milaza ireo fepetra fampiharana ny Lalàna laharana faha-2003-036 tamin’ny 30 janoary 2004 momba ny Orinasan’ny varotra
- Hitsivolana laharana laharana faha-2008-440 tamin’ny 5 mey 2008 momba ny Rejisitry ny Varotra sy ny Orinasa ary ny dokambarotra momba ny sora-bola fanana-manaraka
- Hitsivolana laharana laharana faha-2005-380 tamin’ny 22 jiona 2005 mikasika ny laharana statistika vaovao an’ireo orinasa manao anton-draharana ara-toekarena na ara-tsosialy ao Madagasikara
- Didim-pitondrana laharana faha-15981/2011 tamin’ny 26 Aprilyl 2011 momba ny saran’ny Rejisitry ny Varotra sy ny Orinasa, aloa lelavola ao amin’ny departemanta Fandraisana/EDBM na RCS/EDBM
- Hitsivolana laharana faha-2002-1008 tamin’ny 11 septambra 2002 mikasika ny sata vaovaon’ny INSTAT, Filazana laharana faha-16-13/VPEI/SG/INSTAT/DG/DAF tamin’ny 08 marsa 2013 momba ny saran’ny karatra statistika sy ny Fifandraisana laharana faha-2271-13/VPEI/SG/INSTAT/DG mikasika ny fanavaozana ny karatra statistika aloa lelavola ao amin’ny departemantan’ny INSTAT/EDBM
Ora Fisokafana
- Fandraisana antontan-taratasy ao amin’ny EDBM: 08ora30-12ora
- Fanomezana antontan-taratasy: manomboka amin’ny 2ora30
FANAMARIHANA: Tsy misy ny fandraisana antontan-taratasy rehefa andro faran’ny volana.